Ny Firariantsoa Voaraiko

bonbongasy 02 Janoary, 2011 22:24 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Ireto ny firariantsoa voaraiko tamin'ny alalan'ny sms. Eritrereto moa hoe tanteraka ireo! Olona ohatry ny ahoana izany izaho? Mahafaly anay ny miarahaba anareo fa tratry ny noely ary dia mirary soa koa ho tratry ny taona vaovao 2011. (olona tsy fantatra)

 

Ding dong! Embarquement du vol 2011 est annoncé. Vos escales: chance, santé, bonheur... la durée du voyage sera de 12 mois. Veuillez vous présenter porte 31. Je vous souhaite un bon réveillon. Au menu 2011: velouté de santé, hors d’oeuvre de boh=nheur, filet de mignon d’amour sauce tendresse et café. Bonne année à vous tous et à notre bonne vieille terre. (namana)

 

Faly miarahaba anareo tratry ny taona vaovao 2011. Enga anie mba hitondra soa sy fanambinana ho antsika izy ity. (fianakaviana)

 

Miarahaba anao sy ny ankohonanao ny tenako nahatratra ity taona vaovao 2011 ity, enga anie ka ho taom-pahombiazana ho anao izy ity. (fianakaviana)

 

Bonne année dia samy ho tahin’Andriamanitra. (dokotera)

 

Que la bénédiction de Dieu pour cette nouvelle année 2011 vous apporte joie, prospérité et beaucoup d’amour. (namana)

 

Dear brothers, sisters, partners and friends. All my best wishes to all of you and your beloved ones for this new year 2011. May the Lord grant you successful opportunities to carry out the best projects of yours. May the king of the king who is coming very soon keep you safe and give you grace and peace. Yours faithfully. (mpiara miasa)

 

Miarahaba anao tratry ny taona 2011 ary mirary ny fahasoavan’ny Tompo ho aminareo. (mpanjifa)

 

Tratry ny fety e! Ho taona hitondra soa sy fanambinana sy fitahin’Andriamanitra ho antsika anie ity taona 2011 ity. (mpiara miasa)

 

Arahabaina tratry ny taonan’ny fitiavana (isaia 56, 6-8). Ny fitahian’i Jesosy ho aminareo. (pasitera)

 

L’Eternel t’ouvrira son bon trésor... pour te bénir en toute chose! Bonne année 2001! (namana)

 

Ampitiavana be. Ho taom-pahasoavana ho antsika rehetra ny taona vaovao. Fiadanana ho anao sy ny ankohonanao. (fianakaviana)

 

Merci de torak’izany koa e! (mpiaramiasa)

 

Mirary taona zina ho antsika jiaby e! (mpiaramiasa)

 

Faly miarahaba antsika rehetra nahatratra ny 2011. Samy ho tahian’ny Tompo dia mba ho taom-pahasoavana sy taona zina ho antsika ity taona ity. (mpiaramiasa)

 

Merci. Izahay 4 mianaka koa dia faly miarahaba anareo nahatratra izao taona vaovao izao. Homba anareo ny Tompo ary ny fiadanany ho aminareo. Tia anareo Jesosy. (fianakaviana)

 

Meilleurs voeux  et bonne année! (fianakaviana)

 

Fifaliana ho anay 4 mianaka no hiarabanay anareo tratry ny taona vaovao 2011. Mba hitondra soa, fahasalamana ary fahombiazana anie ity taona ity. (namana)

 

Faly miarahaba anao sy ny fianakavianao nahatratra an’ity taona vaovao 2011 ity ho taom-pahombiazana hitondra fahasalamana sy fitiavana ary fahasambarana ange ity taona ity ka dingana vaovao lehibe no ho tontosa. (namana)

 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)