2003

bonbongasy 17 Janoary, 2011 00:06 Ny vadiko Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa ho  telo taona aho izay no tsy niaraka tamin’olona, 29 taona aho tamin’izay,  efa lehibe ihany ozy ny sasany, efa tara mintsy ozy ny hafa raha ny fanambadiana no resahina; samy manana ny anjarany io hoy aho ary izaho tsy mba maika @ zany, mila miomana tsara aho vao miditra @ fanambadiana.

Navesatra tamiko ny fisarahana t@ ilay niaraka tamiko farany, naratra mafy ny fo ary sarotra nositranina izany ratra izany. Tamin’io fotoana io anefa, mahatsiaro ho irery loatra aho, mila namana, mahatsiaro nila namana , namana akaiky, namana ahy irery, olon-tiana...

Tsy dia talentako loatra ny mikoty vehivavy, sarokenatra ihany koa ny tena @ io lafiny io. Nalaza t@ ireny ny aterineto, ny hafatra, ny tranokala, sns.... notsidihana daholo ity tranokala mety ahitana namana rehetra ity fa tranokala iray izay no toa nahitana fahafaham-po: namana-serasera.org

Tao no nifanoratako t@ namana vavy vitsivitsy: iray, roa, telo, efatra sy dimy teo fa iray t@ ireo iany no toa nifanaraka @ tadiavina, Diana no anarany. Izy aloa tsy taitra tamiko fa nataoko ihany ny fifandraisana. Nandeha ny andro, ny herin’andro, ny volana, afaka roa volana teo vao tapakevitra fa hiaona zahay. Nomena ny nomerao ny fiday ary nifampiantso  avy eo.

Zoma hariva t@ zay ary nisy “2 no 1” tao @ Palais de la culture et des Sport Mahamasina. T@ 6 ora ny fotoana teo @ vavahadin’ny Ecole normale. Tonga aloha ny bandy ary niandry, dia niandry; lasa ihany ny fotoana fa tsy tonga rasipa. Tsy raikitra zany hoy aho any antsaiko any, tratran’ny bitro indray ny bandy! Atao ahoana e, zay ny fiainana, manarina indray @ manaraka.  (Hitohy...)

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)