"Tsiky Dia Ampy"

bonbongasy 09 Janoary, 2011 15:15 Ny vadiko Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Normal 0 21 false false false FR X-NONE X-NONE MicrosoftInternetExplorer4

Mandroso ny fotoana, nisomebiseby ny olona hijery “2 no 1”, maro ireo mbola tsy tafiditra. Ny seho anefa efa hanomboka. Teo indrindra no niantso izy: “ miala tsiny fa ho tara aho, mbola mivory izahay”, ny feony amin’io somary garagara manao feon-dahy izay.  Tsy maninona hoy aho fa andrasako, sady nidoboka ihany ny foko, no lasa ny saina hoe tena olona manana ny maha izy azy izy izany no mbola mivory foana amin’ny andro efa amin’ny enina sy sasany hariva! Dia niandry aho. Lasa ny antsasakadiny, nanomboka ihany ny fampisehona, niredona ny hira “2 no 1”, ny hira famantarana. Lasa indray ny antsasakadiny manaraka, tsy tonga ihany izy! Tsss, aiza ihany aza izy hoy aho tany antsaiko tany, efa tsidrindaona.

Nanontany tena mantsy aho hoe olona otran’inona tokoa moa izany sipa izany? Tsy mba nifandefa sary mantsy izahay tany amin’ny mailaka tany  fa niresaka fotsiny! Tsaroako nangataka ihany aho saingy tsy nahazo sary fa fanazavana ny momba azy no azoko: “fohy volo somary manopy mena ara-boajanahary fa tsy lokoina akory; fotsy fihodirana; volo-tany ny lokon'ny masoko ary somary manifinify ny vatako. Ah, ny endrika no tsy voalazako, tsy dia azo atao hoe tsara na ratsy ihany koa fa ny tena mampiavaka azy dia ny fahasiahana indraindray. Tsy midika akory izany hoe ratsy fanahy aho fa ny zavatra mba hiriko dia ny handraisan'ny olona amin'izay maha izaho ahy izay satria ny olona dia raisiko ami'ny maha izy azy”. Raha ny firesany sy ny feony aloha dia manamarina mihintsy fa olona masiaka izy e! Mety amiko ve izany olona masika izany? Nisalasala ihany aho ny amin’izay ho valin’izany fanontaniana izany, nefa ny fo amam-panahiko toa mamaly hoe:  “tsia, tsy mety amiko izany”. Koa raha izany, na tsy tonga eo aza izy tsy maninona, tsy olana mihintsy, tsy misy anenenana!

Ka andeha aho sa hijanona? Raha andeha, ho aiza anefa? Ny famataran’ora efa manondro amin’ny valo alina; ny tena efa tsy tafiditra intsony amin’ny fampisehoana saika hojerena ! Teo indrindra no niantso indray izy: “izay aho vao tonga, aiza ianao?” eto amin’ny vavahadin’ny école normale eto hoy aho namaly; tazako ery alavidavitra misy tovovavy mivoaka ny taxi, misy finday tazomin’ny tànany eny antsofiny, azoko toky fa izy mihintsy iny. Hitako ianao hoy aho, “tazako koa ianao” hoy izy. Nitsangana aho ary nifanantona izahay.

“Oooaaoo” hoy aho nahita azy akaikikaiky tamin’ny mazava! Zana-javatra izy izany an! Endrika mahafatifaty no indro tazako, fotsy fihodirana, ary manendrika azy tsara ny volony. Ny halavany mety amiko tsara satria tsy lava noho izaho kanefa koa tsy fohy kely. Niahotra ihany izy nanatona ahy, natolotro ny tànako ary nolazaiko ny anarako: “S..., bonsoir”; “D..., miala tsiny fa tara be izaho” hoy izy nanazava ny asa aman’andraikitra izay mbola nitazona azy ary nahatonga ny fahatarany. Rehefa vita ny fiala tsiny sy ny fifankafantarana dia nandeha izahay nitady toerana hipetrahana sy hisakafoanana satria efa tsy tafiditra tao amin’ny fampisehoana “2 no 1” intsony.

Nafana ny resaka, noresahina daholo ny momba ny tsirairay, ny fiainany, ny tantarany, ny toe-draharaham-pirenena, ny politika, ny ekonomia, ny fananantany (sehatra hiasako), sns... teo koa ny mety fifandraisanay: samy mpianatry lasainte (Institution Sainte Famille Mahamasina) izahay fa tsy nifankahalala akory, herintaona ny elanelan’ny kilasinay. Nandroso ny fotoana, tsy tsikaritra ny firosohan’ny alina, nanontany azy aho hoe aiza ianao no aterina mody? Hoy izy tsy naka sarotra hoe “any Soavimasoandro”. Tantara ity! hoy aho any antsaiko any. Tsy ho vitako ny hanatitra azy any raha matetitetika izao! Lavitra be izany Soavimasoandro izany amiko nefa nanaiky aho ny nanatitra azy.

Dia ahona ny manaraka ? Resaka asa no nifanaovanay fotoana ny manarak’io. Talohan’ny fihaonana anefa dia nanoratra mailaka tamiko izy hoe : « A l'idée de te voir, c’était vraiment une surprise, je n'avais même pas pensé que tu allais m'attendre. Mais pour une surprise, c'était une bonne! Du moins, je te rassure. Mon plaisir est simple : te voir sourire. Comme dit le site : "Tsiky dia ampy"…. Avo ny lanitra ka tsy takatro, misaotra an’i Hery aho namorona ny namana.serasera, lasa zao ry zareo a… (hitohy)

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)