Izaho Sy Ny Blaogy Ko

bonbongasy 07 Desambra, 2010 23:08 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa t@ 2007 aho no nanokatra ity blaogy ity saingy @ zao fotoana izao vao te hanoratra sy hameno azy aho. Asa angaha izay antony fa izao vao mahatsiaro ny ilaiko ny blaogy. Mandalo fotoana ahatsiarovako ny maha irery ahy aho izao! Na dia any aza ny vady aman-janako sy ny fianakaviana rehetra ary ireo namana dia mahatsiaro ho irery iany aho @ zao fotoana izao. Misy zavatra iainako mba tiako zaraina sy tantaraina nefa tsy hitako amin'ireo izay hitantarako azy. Izay no nampitsiry ny hevitro hoe maninona moa raha tantaraiko eto @ blaogy izany? Izay mahita azy no mamaky ary izay mamaky no mety ahazo izay eritreretiko sy lazaiko. Ny ankoatr'izay ho hita eo ihany. Misaotra mialoha anareo izay mamaky sy manoratra ho ahy.

Tsy mahay manao blaogy aho fa vao mianatra, mbola tsy nanao an zany mihintsy teo aloha nefa mino aho fa ho haiko ny anao izany ary tsy hamela ahy irery ianareo namana @ torohevitra . Mankasitraka


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)